News - Blog

La suite...
ny railovy 2017
Tonga 'lay nandrasana!!
Fandriho dieny izao, sao tara!


Lettre À Rida, de Fafa Andriamanjato

Amboara ho fanaovam-beloma an'i Ridasoa ANDRIAMAHATANA,
Namana tiana, mpiaraka nihira taminay tao anaty raki-kira "HOBIO"

RIDA,

HANGAHIAHY FOANA NY NAMANAO REHETRA
FA KALOKALO MOANA, TINAPATAPA-TSETSA
NO HÉ MAMOLIVOLY ANATY FONAY ANY,
NY SAINA ZARY NGOLY, TSY TANA FA TOMANY...

RIDA,

FA MBOLA HIHIRA ISIKA, DIA HIRA TSY HIFARANA,
HO HAFA NY MOZIKA FA TSY ILAY NIZARANA
HAMPANAKOINAO ANY NY TSANTA FIDERANA
"HOBIO", RIDA, SOAVA FA TSY TANA...

Fara ANDRIAMANJATO
13 marsa 2015




Attention ÉvÈnement!!!

Affiche des spectacles du mois de mars 2015

(au fait, avez-vous réserver vos billets?)
Nous n'attendons plus que Nahr qui arrivera bientôt de France et nous serons au complet pour vous concocter un spectacle comme les Railovy savent faire!
Pour toutes informations concernant la soirée du vendredi 6 mars au Carlton, merci de nous contacter au:
0033 08 364 19 - 0034 25 376 51
Point de vente des billets: Super Music Analakely et Nect'art Ankaditapaka
Au plaisir de vous y voir!!

Préparation spectacles mars 2015

Avec une partie de l'équipe pour les spectacles du 6 mars au Carlton et du 8 mars prochain au CCESCA Antanimena...

(les répétitions ont commencé...)
Pour le plus grand plaisir des fans du groupe, voici les Railovy au grand complet!!
Une année de célébration avec les 80 ans de Biry, le doyen du groupe qui a vu passé deux générations de chanteurs et de musiciens.
Biry constitue une mémoire vivante de la musique pop malgache, nous sommes spécialement ravis d'ouvrir le bal avec lui!
La célébration continuera avec la publication de son autobiographie "Tadidy" dans le courant de l'année...



Ny Tanananay

Ny tanananay, notre village que je ne peux oublier...

(voix grave)
Toerana tsy hadinoiko
Vita sary tsy hafoiko
Hirahira ato am-poko
Tendrombohitra sy ireo lohasaha
Mavamavana maha-te hizaha
(ensemble)
Izany no tanananay
Trano vitsivitsy monja nefa maminay
Akany izay niandohana
Sady toera-mahatamana, kanefa voatery nialana
Mbola ao i Kaky sy i Neny
Sy ireo zandry vao miana-miteny
Ireny rehetra ireny , sy ny hava-tiana maro indreo!
Indray miandry ao
Vahiny anefa aty an-tanin'olona
Vetsovetso lahy e! Vetsovetso roy e!
'Ndray mirongatra hariva
Zany masoandro iva, ka manembon-takariva
Ka!... Ny sentoko mankany
Tsy!.. Mba manadino anao hatrany
Mandram-pialako eto an-tany